Lot BM 223 Tangaina Ampitatafika Antananarivo Atsimondrano Analamanga Madagascar
Act for Mada
ONG
Mombamomba azy
Ny "Act for Madagascar" (Act for Mada) dia ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana (ONG) iray noforonina tamin'ny taona 2023 ka ny teny faneva dia "Humans Empowerment", na hoe Fampahaefan’ny Olombelona Ny fahaefan’ny olona tsirairay anefa dia miankina tanteraka amin’ireo soatoavina izay arovan’ny "Act for Mada" fatratra. - Ny firotsahana sy ny firosoan’ny olombelona tsirairay ; - Ny fiaraha-miasa amin'ny mpisehatra marolafy ; - Ny fampiatiana ny rehetra amin'ny lahanasa atao ; - Ny lafin’ny Lovainjafy amin’ireo hetsika rehetra ka izany dia mifanaraka amin'ny Tanjon’ny Fandrosoana Lovainjafy an’ny Firenena Mikambana Araka izany, ny "Act for Mada" dia mametraka ho fanamby ny fivoaran’ny olombelona sy ny fandrosoana ara-toekarena ary mametraka ireto tanjona manaraka ireto: - Fanabeazana ny olom-pirenena ; - Fandrosoana lovainjafy ; - Firoborobon’ny fiaraha-monina ; - Fiarovana ny tontolo iainana
Sehatra iasany
Fanabeazana sy fanentanana
Faritra iasany
National