Malagasy Brand Communication

Sehatra tsy miankina

0 Document ajouté
National

Lot IVL 120 Bis Anosivavaka Ambohimanarina Antananarivo 101

+261342969900

RASOANARIVONY Nirimalala

Mombamomba azy

Malagasy Brand Communication : Orinasan-tserasera malagasy voalohany miasa ho an'ny fandrosoana lovainjafy. Satria fotoana izao andraisantsika ny andraikitra, Satria asa maharitra sy lovain-jafy no mila ifantohana, Miserasera isika, tsy ho an’ny fiaraha-monina ankehitriny ihany fa ho an’ny taranaka ho avy. Ny Malagasy Brand Communication dia orinasan-tserasera manome tan-tsoroka amin'ny resaka serasera sy fifandraisana, manomboka amin'ny famolavolana paikady ka hatramin'ny fampiharana sy fanaraha-maso ireo hetsika rehetra. Mitondra ny anjara biriky manoloana ireo fanamby sy lokanadin'ny tontolo iainana sy ny fiaraha-monina amin'ny alalan'ny famolavolana hetsika manome lanja ny tamberin'andraikitra ara-piaraha-monina sy mitondra fomba fiasa vaovao. Ny tolotra omenay: - Asa rehetra seo amin'ny sehatry ny serasera sy ny haitao ara-kajy mirindra - Famolavolana paikady sy fitaovan-tserasera sy fifandraisana - Fanaraham-baovao amin'ny haino vaky jery - Fampitaovana eo amin'ny sehatry ny serasera sy haitao ara-kajy mirindra - Fampiofanana sy fampivoarana fahaiza-manao momba ny serasera ho an'ny fampandrosoana (C4D) - Asa tamberin'andraikitra ara tontolo iainana sy ara-piaraha-monina

Sehatra iasany

Serasera

Faritra iasany

National

Tahirin-kevitra