Antananarivo, MADAGASIKARA

Maison de l'Apiculture Malagasy
Fiarahamonim-pirenena & Fiaraha-monina
Mombamomba azy
Ny Maison de l’Apiculture Malagasy (MAM) dia Rafitra nitsangana tamin'ny 2022, ivondronan’ny Mpisehatra tantely eto Madagasikara, ivo-toerana hikaonandoha ho fiarovana ny renintantely sy fampandrosoana ny seha-pamokarana tantely. Mivondrona ao ny mpampiofana, mpiompy, mpisehatra amin’ny varotra sy fampitaovam-pamokarana, mpikirakira vokatra, izay samy matihanina amin’ny sehatra misy azy avokoa rehefa resaka TANTELY; Manolo-tanana, sy mitondra ny anjara birikiny ary ny traikefany ny M.A.M. entina miaro ny renintantely sy miara-mampandroso ny seha-pihariana tantely : • Manolo-kevitra sy paikady hiaraha-mandrindra, miainga amin’ny traikefa hita manerana ny Nosy • Mamolavola sy mametraka fiaraha-miasa sy drafitra amin’ny mpisehatra ara-panjakana, tetikasa mpanohana ara-bola sy ara-tekinika, sehatra tsy miankina, ka ny tanjona dia mba ho lalan-tsaina miray zotra no hiaraha-miasa • Manentana eny anivon’ny sokajin’olona rehetra (vahoaka sy ny mpitondra, ankizy, tanora sy lehibe, mpiasa, mpianatra sy mpikaroka, ambanivohitra sy antanandehibe, ...)- amin’ny anjara-toerana lehibe raisin’ny tantely eo amin’ny Tontolo Miaina amin’ny alalan’ny fanapariahana vovombony
Sehatra iasany
Fiovan'ny toetr'andro
Fiompiana
Ady amin’ny fahantrana / Asa fampidiram-bola
Fanabeazana sy fanentanana
Famindrana fahaiza-manao
Adisisika
Fitantanana
Diplaomasia maitso (rafitra sy sehatra iraisam-pirenena)
Fiarovana / Fitantanana ny tontolo an-tanety
Fanarenana ekolojika
RSE
Faritra iasany
National