Enceinte SOANALA - MEDD Ambatobe ,B.P 869, ANTANANARIVO 101 - MADAGASCAR

Projet Global Biodiversity Framework - Implementation Madagascar (GBF-implementation)
Programa/Tetikasa
Mombamomba azy
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa maneran-tany GBF ny tetikasa GBF Madagasikara . Tetikasa manerantany eo ambany fiahian'ny Minisiteran'ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy Fampandrosoana alemana (BMZ) ary tanterahina amin'ny alalan'ny GIZ miaraka amin'ny famatsiam-bola 12 tapitrisa euros sy famatsiam-bola fanampiny Norvezianina mitentina 5,1 tapitrisa euros avy amin' ny sampana Norveziana ho an'ny fiaraha-miasa sy fampandrosoana (NORAD). Ny ny tetikasa dia tanterahina ao anatin'ny Fiaraha-miasa amin'ny Accelerateur SPANB. Ny tanjon'ny tetikasa ankapobeny dia hanampy ireo firenena mpiara-miombon'antoka voafantina amin'ny fanatanterahana ny starézia sy drafitra nasionaly momba ny zavamananaina sy manohana ny hetsika laharam-pahamehana ho tratrarina . Nanomboka ny taona 2023 ny tetikasa ary mifarana amin'ny 2026. Ireo firenena mpiara-miasa dia Kolombia, Peroa, Brezila, Repoblika Demokratikan'i Congo, Namibia, Madagascar, Laos sy Indonezia. Ho an’i Madagasikara, ny tetikasa nanomboka tamin'ny taona 2024. Anisan'ny lohahevitra mifanandrify amin'ny tetikasa ny fanamafisana ny fandraisan'anjara ny vehivavy ary ny fomba mifototra amin'ny fanajana ny zo mitovy ho an'ny lahy sy ny vavy mifototra amin'ny fiarovana ny karazan-javamanan'aina. Ny tetikasa dia miara-miasa akaiky ihany koa amin'ny ny governemanta sy ny solontenan' ny fiarahamonim-pirenena, ny tanora sy ireo vondron'olona eny ifotony (VOI).
Sehatra iasany
Diplaomasia maitso (rafitra sy sehatra iraisam-pirenena)
Faritra iasany
National
Boeny
Diana
Sava